ONG d'Education pour le Développement
Récepissé n°99/799/MPCFE/SG/DGPDGS/SONG du 15 Novembre 1999
 
 





PASSATION DE LA CONVENTION SIGNEE ENTRE LES DEUX PARTIES

PRESIDENT YMCA TULEAR   -   DIRECTEUR TERRITORIAL DU BIANCO


Texte de la LOI 2004-030 du 9 septembre 2004 sur la LUTTE CONTRE LA CORRUPTION
Selon les dispositions de l’article 174 de la section II du Chapitre III du Titre premier du Livre III
 Art. 174:
LA CONCUSSION EST UNE CORRUPTION
KOLIKOLY NY FAKAM-BOLA TSY ARA-DALANA
Mitaky na manery handoa vola izay fantany fa tsy tokony  haloa na mihoatra ny tokony haloa
 
« Ny fandraisan’ny olona iray nametrahana fahefam-panjakana na nampiandraiketina asa amin’ny fanjakana, ny fitakiany na fanereny handray, ho sara na fandraisana anjara, hetra na habam-panjakana, karama na valin-kasasarana, vola izay fantany fa tsy tokony haloa na mihoatra izay tokony haloa, dia hosaziana :
roa ka hatramin’ny folo taona an-tranomaizina sy lamandy iray tapitrisa Ariary ka hatramin’ny roan-jato tapitrisa Ariary na ny iray amin’ireo sazy ireo ihany. »
 
 
 
Titre du Film "Kolikoly 1"

FAKAM-BOLA TSY ARA-DALANA
(LA CONCUSSION)



Parole de la chanson générique :


Fangalàm-bola tsy ara-dalàna
Kolikoly ataonao é
Nametraha fahefam-panjakana
Mitandrema ianao é!
 
Nampiandreketign’anao ty asa
Fa ampy anao ty karama
Fa hainao iaby ty tsy mete
Fe iha mbo miseresere
Mitaky dralabe mihoatse
Ka lako tia tegna loatse
 
Tsy ino io fa asa kolikoly
Tsy ino fa fomba ty devoly
Tsy ino io fa asa kolikoly
Tsy ino fa fomba ty devoly
 
Fangalàm-bola tsy ara-dalàna
Kolikoly ataonao é
Nametraha fahefam-panjakana
Mitandrema ianao é!
 
Roa tao hatramy folo tao
Ty hagadrà ho azonao
Lamandy iray tapipitrisa
Hatramy roanjato tapitrisa
Na ty raiky amy reo avao
Arake ty hitsaragn’anao
 
Tsy ino io fa asa kolikoly
Tsy ino fa fomba ty devoly
Tsy ino io fa asa kolikoly
Tsy ino fa fomba ty devoly
 
(Auteur – Compositeur: RAVELOJAONA Gilbert)
 

INTRODUCTION AU FILM "KOLIKOLY 1"

À Madagascar, dans la région du Sud – Ouest, la vie sociale est très harmonisée entre le Créateur et la création, entre chaque être vivant.
Depuis toujours, la prospection de ce qui peut nourrir et de ce qui peut promouvoir allait de pair avec l’intelligence, le discernement, la transparence d’une bonne gouvernance pour le bien de la société.
Le FIHAVANANA est la philosophie fondamentale de l’entraide harmonisée par le respect des droits humains : chacun cherche ce qui est bien pour les autres : homme, femme, adulte, jeune ou enfant.
Mais, durant ce troisième millénaire pendant lequel le progrès technologique augmente très rapidement, les ténèbres de la cupidité règne dans les cœurs égoïstes.
Cependant, des lueurs existent encore dans ce monde ténébreux, apportant un espoir de :
  • Faire régner ce qui est légitime et légal
  • Solutionner les problèmes de la destruction, produite par les intolérances forgées par l’amour propre déplacé.
Les conflits et les affrontements dans la vie sociale sont fréquents à cause de la négligence dans l’application de la bonne gouvernance et d’une démocratie à base du respect des droits de l’homme pour le développement des citoyens vulnérables.
On dirait que l’oubli avait entièrement englouti l’importance du FIHAVANANA, seul levier malgache pour la promotion de la paix.
Même les réconciliateurs et les médiateurs risquent de se décourager quand ils sont victimes des carambolages des malfaiteurs.
Nous, les jeunes, présents de notre Nation, allons-nous regarder sans réagir ?
Allons-nous accepter d’être agrippés sur place par la corrosion de la pauvreté ?
Un exemple parmi les maux qui étranglent notre pays est la pratique de la corruption qui nous réduit à travailler durement pour juste avoir de quoi manger pitoyablement. A vous d’y répondre, mais YMCA n’accepte jamais cette situation et…

Les Jeunes se mirent débout … prêt à lutter, prêt à vaincre … mais ils ne vont pas lutter contre quelqu’un … NON !!! …
            Mais … « LUTTER CONTRE LA CORRUPTION »
(RAVELOJAONA Gilbert)

Eto Madagasikara, aty amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, dia nirindra aok’izany ny fiaraha-monina teo amin’ny Mpahary sy ny nohariana ary amin’ny samy mpiara-belona.
Hatrizay dia niaraka tamin’ny fahazava-tsaina, fahazavam-panahy, fahazavam-piainana, fahazavan’ny fiaraha-monina hatrany ny fitadiavana izay mahavelona, izay mahasoa ny rehetra.
Ny FIHAVANANA no toe-panahy ifanasoavana mirindra hatrany amin’ny fanajana ny zo mahaolona : samy mikatsaka izay hahasoa ny hafa ny lehilahy sy ny vehivavy, na lehibe na tanora na ankizy.
Amin’izao taonarivo fahatelo irimorimoan’ny fandrosoana ara-teknolojia izao anefa dia manjaka ny aizin’ny fitiavam-bola kobonin’ny fitiavan-tena.
Mbola misy anefa ny tara-pahazavana ao anatin’ny kitrok’alina, miezaka ny :
  • Hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny
  • Hamaha ireo olan’ny fahasimbana vokatry ny tsy fifandeferana notefen’ny hambom-po diso toerana.
Mila tsy laitra tohanana intsony anefa ny raorao sy ny adilahy eo amin’ny fiaraha-monina noho ny fanaovana tsirambina ny fanjakana tsara tantana sy ny demokrasia mandala ny zon’olombelona hampandrosoana ny vahoaka madinika.
Toa hadino tanteraka ny hasin’ny fihavanana izay hany fanoitra Malagasy hampanjakana ny fandriampahalemana.
Mila ho kivy koa ny mpampihavana sy ny mpanelanelana indraindray rehefa ianjadian’ny hery tosiky ny mpanao ratsy.
Dia hitazam-potsiny va isika tanora, ankehitrin’ity firenentsika ity?
Dia hanaiky ny hifaharan’ny rihitry ny fahantrana eto fotsiny va isika tanora?
Ohatra iray amin’ireo ratsy mangeja ity finentsika ity ny fanaovana kolikoly izay mahatonga antsika hitrongy mafy hatrany vao homana tsizarizary.
Asa ianao, fa i YMCA tsy mba hanaiky izany velively ka dia:

Nitsangana ny Tanora… Vonon-kiady, vonon-kandresy… fa tsy hiady aman’olona izy ireo… TSIA!!!
Fa…  “HIADY AMIN’NY KOLIKOLY”.
 
(RAVELOJAONA Gilbert)

LALANA MOMBAIREO KOLIKOLY FAHITA MATETIKA
IZAY HATAO FILM KOLIKOLY 1 A 15

  • Fanomezana tolotra na tombontsoa tsy ara-dalàna mba hahazoany amin’ny olona iray nametrahana fahefam-panjakana hanatontosa na tsia asa mifanandrify amin’ny andraikiny na nanomezan-pahefana azy
« Hosaziana roa taona ka hatramin’ny folo taona an-tranomaizina sy lamandy iray tapitrisa Ariary ka hatramin’ny roan-jato tapitrisa Ariary na ny iray amin’ireo sazy ireo ihany, ny fanoloran-kevitra tsy ananana zo, mivantana na amin’ny alalan’ny olon-kafa, ny fampanantenana, fanomezana tolotra na tombontsoa mba hahazoany amin’ny olona iray nametrahana fahefam-panjakana, na nampiandraiketina asam-panjakana na manao asam-panjakana nahavoafidy :
  1. Na hanatontosa na tsia asa mifanandrify amin’ny andraikiny na ny fanomezam-pahefana azy ;
  2. Na hanamora amin’ny alalan’ny asany, ny andraikiny na ny nanomezam-pahefana azy ;
  3. Na hanararaotra ny fahafantaran’ny olona ny toerana misy azy na heverin’ny olona fa misy azy mba hahazoany amin’ny manam-pahefana na amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana mari-boninahitra, asa, fifampiraharaham-barotra izay fanapahan-kevitra hafa rehetra ahazoan-tombony.
Hosaziana amin’ireo sazy ireo ihany koa ny fanekena olona iray izay nametrahana fahefam-panjakana, nampiandraiketina asam-panjakana na manao asam-panjakana nahavoafidy mangataka, tsy manana zo, mivantana na amin’ny alalan’olon-kafa, izay mety fanolorana, fampananetanana, fanomezana, tolotra na tombontsoa mba hanatontosany na tsia ireo asa voatondro ao amin’ny andalana 1° sy 2° na hampanjakany ny heviny araka ny fepetra voatondro ao amin’ny andalana 3°.
Hosaziana mitovy amin’ireo sazy ireo ihany koa ny olona manao fanelanelanana amin’ny fanatanterahana ny fandikan-dalàna voatondro amin’ity andininy ity. »
  • Fangatahana na fandraisana tombontsoa na vola … tsy ara-dalàna ataon’ny mpandraharaham-panjakana na amin’ny sehatra tsy miankina
« Hosaziana roa taona ka hatramin’ny folo taona an-tranomaizina sy lamandy iray tapitrisa Ariary ka hatramin’ny roan-jato tapitrisa Ariary na ny iray amin’ireo sazy ireo ihany, ny fandraisan’ny olona iray nametrahana fahefam-panjakana, nampiandraiketina asam-panjakana na manao asam-panjakana nahavoafidy, ny fangatahana na fankatoavana, tsy ananan-jo, mivantana na amin’ny alalan’olon-kafa, izay mety ho tolotra, fampanantenana, fanomezana na tombontsoa mba hanatontosany na tsia asa mifanandrify amin’ny andraikitra sahaniny, na nohamorain’izany andraikiny izany. »
  • Mitaky na manery handoa vola izay fantany fa tsy tokony  haloa na mihoatra ny tokony haloa
« Ny fandraisan’ny olona iray nametrahana fahefam-panjakana na nampiandraiketina asa amin’ny fanjakana, ny fitakiany na fanereny andray, ho sara na fandraisana anjara, hetra na habam-panjakana, karama na valin-kasasarana, vola izay fantany fa tsy tokony haloa na mihoatra izay tokony haloa, dia hosaziana roa ka hatramin’ny folo taona an-tranomaizina sy lamandy iray tapitrisa Ariary ka hatramin’ny roan-jato tapitrisa Ariary na ny iray amin’ireo sazy ireo ihany. »
  • Fanomezan’ny olona nametrahana fahefam-panjakana fanafahana sy famelana tsy handoa sara, hetra na habam-panjakana tsy araka ny lalàna
« Hohelohina amin’ireo sazy (voalazan’ny Art 174) ihany koa ny fanomezan’ireo olona voalazan’ny andinin’(io Art 174 io) na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona, ary na inona na inona antony, tsy araky ny lalàna, fanafahana sy famelàna tsy handoa ny sara, hetra na haba-pankajana, na mamoaka maimaim-poana ny vokatra avy amin’ny antokon-draharaham-panjakana. »
 
  • Fanararaotana ataon’ny olona iray noho ny toerana misy azy mba hahazoany manoloana tompon’andraiki-panjakana fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny tombontsoany manokana
(Na ny mpanome na ny mpandray na ny mpanelanelana dia samy ho sazian ’ny lalàna)
« Hosaziana iray taona ka hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina sy lamandy iray tapitrisa Ariary ka hatramin’ny zato tapitrisa Ariary na ny iray amin’ireo sazy ireo ihany, ny fangatahana na fankatoavana, na mivantana na amin’ny alalan’olon-kafa, izay mety ho fanolorana, fampanantenana, tolotra, na tombontsoa mba hanararaotana ny fahafantaranan’ny olona ny toerana misy azy na heverin’ny olona ho misy azy mba hahazoany amin’ny manam-pahefana na amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana mari-boninahitra, asa, fifampiraharaham-barotra na izay rehetra fanapahan-kevitra hafa ahazoany tombony.
Hosaziana mitovy amin’izany ihany koa ny fanekena ireo fangatahana voalaza ao amin’ny andàlana etsy ambony, na ny fanolorana, tsy hanan-jo, mivantana na amin’ny alalan’olon-kafa, fanolorana, fampanantenana, tolotra, na tombontsoa mba hanararaotana ny fahafantaranan’ny olona ny toerana misy azy na heverin’ny olona ho misy azy mba hahazoany amin’ny manam-pahefana na amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana mari-boninahitra, asa, fifampiraharaham-barotra na izay rehetra fanapahan-kevitra hafa ahazoany tombony.
Hosaziana mitovy amin’ireo sazy ireo ihany koa izay rehetra nanao fanelanelanana tamin’ny fanatanterahana ny fandikan-dalàna voatondro ao amin’ity andininy ity. »
  • Fakan’ny mpiasam-panjakana tombony na tombontsoa avy amin’ny asa fanaraha-maso, fandraharahana sy fitantanana iandraiketany  na nampiandraiketana azy ao anantin’ny roa taona nitsaharany tamin’ilay asa fanaraha-maso na fitantanana
« Tsy manohintohina ny voalazan’ireo lalàna manokana, helohina an-tranomaizina telo ka hatramin’ny dimy taona sy lamandy iray tapitrisa ka hatramin’ny efapolo tapitrisa Ariary, na ny iray amin’ireo sazy ireo ihany, ny mpiasam-panjakana, ny olona nametrahana ny fahefam-panjakana na miandraikitra asa ao amin’ny Fanjakana na manao asam-panjakana nahavoafidy azy, izay teo am-pisahanana ny asany na tao anatin’ny roa taona nitsaharany tamin’izany, naka, nandray na nitahiry, mivantana na tamin’ny alalan’olon-kafa, na inona na inona tombony na tombontsoa tao amin’ny orin’asa iray na asa iray izay niandraiketana manontolo na amin’ny ampahany ihany ny fanaraha-maso, ny fitantanana, ny famaranan-trosa ara-pitsarana na ny fanefam-bola.
  • Tompon’andraikitry ny marché public manome na mikasa hanome tombontsoa manokana ho an’ny mpifaninana @ marché public na ny fifanarahana hafa ifanaovana @ fanjakana
« Hohelohina an-tranomaizina telo volana ka hatramin’ny herintaona sy lamandy roa hetsy ka hatramin’ny efatra tapitrisa Ariary na ny iray amin’ireo sazy ireo ihany, ny olona rehetra nametrahana fahefam-panjakana na nampiandraiketina asam-panjakana na manao asam-panjakana nahavoafidy na misahana asa tsotra ao amin’ny Fitondran-draharaham-panjakana, mpandraharaha ao amin’ny Fanjakana, ao amin’ny vondrom-bahoakam-paritra, ny antokon-draharaham-panjakana na ny olona rehetra miasa ho an’ny uray amin’ireo voalaza etsy ambony izay nanome na nikasa hanome olona tombontsoa tsy voamarina, amin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra mifanohitra amin’ny lalàna na fitsipika miantoka ny fitovian-jo eo amin’ireo mpifaninana amin’ny fifampiraharaham-barotra amin’ny Fanjakana sy ny fifanarahana famindrana ny fitantanana ny sampan-draharaham-bahoaka. »
  • Tsy fanambaran’ ny tompon’andraiki-panjakana @ ambaratongam-panjakana ambony ny fifanitsahan’ny tombontsoany manokana @ ny tombontsoam-panjakana
« Misy ny fifanolananan’ny tombontsoa manokana sy nyasa raha mifanojo ny tombontsoa manokan’ny mpandraharaham-panjakana sy ny tombontsoan’ny daholobe, izay mety hanana fiantraikany amin’ny fanantaterahan’ilay olom-panjakana ny asany.
Tsy maintsy ambara avy hatrany amin’ny ambaratongam-pahefana ny fifanolanana rehetra momba ny tombontsoa manokana sy ny asa. Ny tsy fanajana izany fepetra izany dia mety hahavoasazy enim-bolana hatramin’ny roa taona an-tranomaizina sy lamandy iray hetsy Ariary hatramin’ny folo tapitrisa Ariary na iray amin’ireo sazy ireo ihany. »
  • Fisahanan’ny mpiasam-panjakana iray andraikitra sosialy na asa andraisam-bola ao anatina orinasa tsy miankina izay nanaovany fanaraha-maso na filan-kevitra ao anatin’ny fialan-tsasatra na telo taona nitsaharany tamin’izany asa izany.
« Tsy manohintohina ny voalazan’ireo lalàna manokana, helohina an-tranomaizina herintaona ka hatramin’ny roa taona sy lamandy iray tapitrisa ka hatramin’ny roapolo tapitrisa Ariary, na ny iray amin’ireo sazy ireo ihany, ny mpiasam-panjakana, ny mpandraharaha miandraikitra noho io asany io ny fanaraha-maso mivantana orinasa tsy miankina, na fanaovana fifanarahana aminà orinasa tsy miankina iray, na manome ny heviny mikasina ny orinasa tsy miankina, ary izay, na izy ao anatin’ny fotoana fialan-tsasatra na napetraka tsy hiasa sady tsy mandry karama, na rehefa napetraka hisotro ronono, na aorian’ny fametraham-pialana, fanalana na fandroahana ary ao anatin’ny telo taona manomboka amin’ny nitsaharany tamin’ny asany, hisahana andraikitra sosialy ao amin’io orinasa io na hanao zavatra andraisam-bola na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona.
Helohina amin’ireo sazy ireo ihany ny fanaovan’ireo olona ireo andraikitra sosialy na asa rehetra andraisam-bola ao aminà orinasa tsy miankina iray izay manana farafahakeliny ny 30 isan-jaton’ny renivola iombonana amin’ny iray amin’ireo orinasa voalaza eo amin’ny andàlana etsy ambony, na nanao tamin’io orinasa io fifanarahana iray misy fitompoana samirery araky ny lalàna na tsia.
Amin’ny hevitr’ity andininy ity, dia ampitoviana amin’ny orinasa tsy miankina ny orinasam-panjakana miasa aminà sehatra misy fifaninanana sy araky ny lalàna mifehy ny olon-tsotra.
Ny mpitantana ireo orinasa voalaza ireo, heverina ho mpiray tsikombakomba, dia iharan’ireo sazy ihany koa. »
  • Tsy fahafahan’ny olom-panjakana manamarina ny fitomboan-karena mihoapampana izay tsy mifanaraka @ fidiram-bolany mazava
« Hosaziana an-tranomaizina enim-bolana ka hatramin’ny dimy taona sy lamandy folo tapitrisa Ariary ka hatramin’ny efapolo tapitrisa Ariary, izay olona rehetra misahana asam-panjakana, izay olona rehetra misahana asam-panjakana mahavoafidy, ny mpitondra,  ny nomem-pahefana na mpikarama amin’ny orinasam-panjakana rehetra izay tsy afaka manamarina ara-dalàna ny fitomboana mihoampampana ny fanany raha oharina amin’ny fidiram-bola ara-dalàna.
Hohelohina amin’ny sazy mitovy amin’izany izay rehetra minia mitana fanana sy harena tsy ara-dalàna azo avy amin’ireo olona voatondro etsy ambony. Ny fahazoana harena tsy ara-dalàna dia anisan’ny fandikan-dalàna mitohy marihina amin’ny alalan’ny fitazonana harena na fampiasana ny loharanon-karena tsy ara-dalàna. Ny porofo mikasika ny fahazoana harena ara-dalàna na ny loharanon-karena dia azo entina amin’ny fomba rehetra.
Na izany aza anefa, ho afahana amin’izay mety ho fanenjehana rehetra , ny olona izay nampahafantatra ny zava-misy amin’ny manam-pahefana ara-pitondrana na ara-pitsarana sy nahafahana namantatra sy nanameloka ny tompon-keloka fototra alohan’ny fisokafan’ny fanenjehana na fitoriana mivantana.
Ankoatr’izany, ny didy fanamelohana dia afaka manambara ny fitànana manontolo na ny ampahany, ho an’ny fanjakana, ny vondrom-bahoakam-panjakana, ny antokon-draharaham-panjakana sy iombonana amin’ny fanjakana, ny fanan’ny voaheloka hatramin’ny fetry ny fahavoazana mihatra. »
  • Faneken’ny mpandraharaham-panjakana  fanomezana na tombontsoa tsy tokony ho azony ka hanana fiantraikany amin’ny fanapaha-kevitra mifandraika amin’ny asany
« Hosaziana an-tranomaizina enim-bolana hatramin’ny roa taona sy lamandy iray hetsy Ariary ka hatramin’ny folo tapitrisa Ariary na ny iray amin’ireo sazy ireo ihany, ny faneken’ny mpandraharaham-panjakana na tompon’andraikim-panjakana, fanomezana na izay tombontsoa tsy tokony ho azo, mety nampiova na hampiova ny fizotry ny raharaha na ny fifampiraharahana mifandraika amin’ny asany.
Ny mpanome dia hohelohina amin’ny sazy mitovy amin’izany ihany koa. »
  • Fanararaotana ataon’ny mpiasam-panjakana amin’ny fanaovana asa tsy ara-dalàna noho ny toerana misy azy mba hahazoany tombontsoa ho an’ny tenany na ho an’olon-kafa
« Hosaziana telo volana ka hatramin’ny iray taona an-tranomaizina sy lamandy iray hetsy Ariary ka hatramin’ny iray tapitrisa Ariary na ny iray amin’ireo sazy ireo ihany, ny fanararaotan’ny mpandraharaham-panjakana ny amin’ny fisahanana ny asany na ny toerana misy azy, amin’ny fanatontosana na tsia, ao anatin’ny fanatanterahana ny asany, ny asa mandika lalàna sy fitsipika mba hahazoana ny tombontsoa tsy tokony ho azo, ho an’ny tenany na ho an’olon-kafa na vondrona.
Hosaziana mitovy amin’ireo sazy ireo ihany koa izay rehetra nanao fanelanelanana tamin’ny fanatanterahana ny fandikan-dalàna voatondro amin’ity andininy ity. »
  • Fanaovan’ireo manam-pahefana amin’ny foloalin-dahy na sivily (préfet na sous-préfet), varotra zavatra ilaina andavanandro na zava-pisotro ao amin’ny faritra iadidiany .
« Izay rehetra mifehy vondrona ao amin’ny foloalin-dahy na herim-panjakana, distrika na toerana sy tanàn-dehibe, ny prefé na soprefé rehetra, izay manerana ny faritra hananany fahefana, nanao an-karihary na an-kinafinafina na amin’ny alàlan’ny fampiasana olon-kafa, ny fivarotana vokatra tena ilaina andavanandro, divay na zava-pisotro, ankoatr’ireo izay avy amin’ny fananany, dia saziana lamandy fara-fahakeliny roa hetsy Ariary, raha be indrindra folo tapitrisa Ariary miaraka amin’ny fitànana ireo entana tao amin’ny toeram-pivarotany. »
 
  • Tsy fanaovan’ny manam-pahefana voadidy hanao fanambaram-pananana  ao anatin’ny fe-potoana voafetran’ny lalàna
« Hosaziana enim-bolana hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina sy lamandy folo tapitrisa Ariary  hatramin’ny efapolo tapitrisa Ariary, izay rehetra tsy maintsy manao fanambaram-pananana, aorian’ny roa volana nanaovana fampatsiahivina amin’ny fomba ivelan’ny fiantsoana ara-pitsarana nomena mivantana ny tenany, ka minia, tsy manao izany fanambarana izany na manao fanambarana tsy feno, tsy marina na diso, na manao fanamarihana diso, na ninia nandika ny adidy aman’andraikitra izay nandidian’ny lalàna sy ny didy amam-pitsipika fampiharana azy.
Hosaziana enim-bolana hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina sy lamandy folo tapitrisa Ariary  hatramin’ny efapolo tapitrisa Ariary, izay rehetra manaparitaka na namoaka ho fantatry ny be sy ny maro, na amin’ny fomba ahoana izany na amin’ny fomba ahoana, ny fanambarana na fanamarihana ampahany na manontolo voarain’ny antokon-draharaha misahana ny fanambaram-pananana. »
  • Fitorohana olona ho nanao kolikoly kanefa fantatra tsara fa tsy nisy ilay zavatra itoriana azy na tsy nataony na tsy kolikoly.
« Ny fitorohana mifototra amin’ny zavatra tsy misy na tsy isan’ny trangan-javatra momba ny kolikoly na fandikan-dalàna mitovitovy amin’izany dia heloka momba ny fitorohana tsy mitombina.
Na iza na iza minia, na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona, manao fitorohana tsy mitombina dia ho saziana enim-bolana hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina miampy lamandy iray hetsy Ariary hatramin’ny iray tapitrisa Ariary. Azo ampiakarina avo roa heny io sazy an-tranomaizina io.
Ny fitsarana dia afaka, ankoatr’izany, mandidy ny famoahana ny didim-pitsarana, ampahany na manontolo, ao amin’ny gazety iray na maromaro, ka ny voaheloka no mandoa ny sarany. »

BUREAU INDEPENDANT ANTI-CORRUPTION


NY TANTARAN’NY ADY @ KOLIKOLY ETO MADAGASIKARA
Historique de la LUTTE CONTRE LA CORRUPTION à Madagasikara

NY TANTARA
  • Efa nisy talohan’ny nidiran’ny vazaha t@ faha-mpanjaka (Fitsarana @ Tangena)
  • Nitohy nandritra ny fanjanahan-tany ary nampiana ny lalàna nentin’ny vazaha
  • Taorian’ny fahaleovan-tena:
 Fametrahana ny Fehezan-dalàna famaizana (Code pénal) sy ny fampiharana azy
 
FOTOTRA NIAINGAN’NY ADY @ KOLIKOLY TETO MADAGASIKARA
  • Fifanarahana iraisam-pirenena @ ady @ kolikoly.
  • Fifanarahana ny firaisambe Afrikanina momba @ fisorohana ny kolikoly.
  • Nampidirina tao @ DSRP sy MAP ny ady @ kolikoly.
  • Fananganana ny « CSLCC ».
  • Fametrahana ny Paik’adim-pirenena iadiana @ kolikoly.
  • Fananganana ny « BIANCO ».
  • Fananganana ny « CPAEC ».
  • Fifanekena mikasika ady @ kolikoly eo anivon’ny mpikambana ao @ SADC.
FANAZAVANA :

     Niroso tamin’ny ady amin’ny fahantrana ny Malagasy ka nampidirina tamin’izany ny programa momba ny ady atao amin’ny kolikoly, ka nosoratana tao anatin’ny DSRP (Document Stratégique pour la Réduction de la Pauvreté), ho isan’ny fepetra ao amin’ny politikam-panjakana ho fampandrosoana ny firenena ny fametrahana ny ady amin’ny kolikoly.

      Rehefa tamin’ny nialan’ny DSRP, taona 2002, dia napetraka ny M.A.P. (Madagascar Action Plan) tamin’ny Repoblika fahatelo, fa io indray no paik’ady vaovao nametrahana ny ady amin’ny kolikoly miaraka amin’ny fanapahan-kevitry ny politikam-panjakana hanantateraka an’izany.

       Ankehitriny, ny Fitondrana Tetezamita dia tsy maintsy manamafy izany ady atao hanoherana ny kolikoly izany.

    Rehefa voasonia ny fifanarahana tamin’ny Fikambanana iraisam-pirenena dia tsy maintsy natsangana koa ny rafitra handinika sy hanatanteraka izay toro-marika tao amin’ny CONVENTION INTERNATIONALE (O.N.U.) ary dia tafajoro ny Filan-Kevitra Ambony Momba ny Ady Atao amin’ny Kolikoly (Conseil Supérieur de Lutte Contre la Corruption na ny CSLCC) izay nivondronan’ny manamp-pahaizana voafantina hijery ny paik’ady rehetra hanarenana ny lalàna izay tsy ampy sy nandringana teo aloha ka tsy hita izay hampiharana azy tsara momba ny famaizana ny mpanao kolikoly. Io CSLCC io no rantsana mpanara-maso sy Mpanolo-tsaina ny Tale Jeneraliny sy ny Komity fakan-kevitra any amin’ny faritany. Vokatr’izany asan’ny CSLCC izany ny fivoahan’ny fehezan-dalàna mitondra ny laharana 2004 – 030 tamin’ny 09 septambra 2004 mikasika ny ady atao amin’ny kolikoly.

      Tao anatin’izany Lalàna izany no nametrahana fa tokony ho ivelan’ny asam-panjakana ny mpikatroka rehetra hanatanteraka ity paik’ady momba ny fiadiana amin’ny kolikoly ity eto amin’ny Firenena dia ny BIANCO na ny Bureau Indépendant Anti-Corruption sy ny CPAEC na ny Chaîne Pénale Anti-Corruption et (Contre les Infractions) Economiques izay Tribonaly manokana napetraka eo anivon’ny Tribonaly mba hitsara ny fandikan-dalàna mahakasika ny kolikoly sy ny sehatra rehetra momba ny toe-karena.

       Ny fidirantsika ho mpikambana ao amin’ny SADC dia mbola nanamafy ny andraikintsika momba ny ady atao amin’ny kolikoly koa.

FORMATION DES JEUNES YMCA DU 21 JUILLET 2011 A TULEAR

TRAVAUX DE GROUPE DE JEUNES YMCA AU SIEGE TULEAR

PREMIER TRAVAIL DE GROUPE : (DEFINITION DE LA CORRUPTION)
5 groupes de 4 à 5 personnes pour définir dans les langages usuelles ce qu’est « LA CORRUPTION », comprises par la communauté locale de Tuléar. (Comment les jeunes YMCA comprennent le sens du mot « CORRUPTION »)

1ER GROUPE :
  1. Risoriso : fampiasana fanambakana ara-paika mba hahazoana an’ny tena samirery ny vokatra.
  2. Tsolotra : manamby vola olona iray mba hanamorana ny vokatra tiana ho azo.
  3. Fitapitaka : mijijy ho azy samirery ny vokatra tsara eo amin’ny fifanarahana ka manafina izany amin’ny mpiara-miasa aminy amin’ny alalan’ny laingalainga.
  4. Fanararaotam-pahefana : ‘abus de pouvoir’ manararaotra ny fahefana ananana mba hamitana zavatra mitondra tombontsoa ho an’ny tena manokana.
2 EME GROUPE :
  1. Fanambakana ny tsy mahalala : Ohatra iray amin’ny tamabanivohitra miakatra rova hanao antotan-taratasy ka ilazana fa raha tsy manome vola izy dia mety haharitra elabe vao vitaina ny raharahany.
  2. Fividianana fahaizana na asa : Ohatra amin’ny fitadiavana asa mitaky diplaoma ka manamby vola ny mpanao kolikoly mba hananany ilay diplaoma izay tsy nanaovany fanadinana akory na tsy nahafahany akory.
  3. Fanambaniana toe-tsaina ho enti-manararaotra fahefana : vidina vola ilay manam-pahefana mba hanamorany ny raharaha atao ho azy manokana ka tsy hiraharahàny ny hafa.
  4. Fandikan-dalàna hahazoana izay zavatra irina amin’ny fomba rehetra : iniana tsy hajaina ny lalàna mametraka paik’ady hahasoa ny daholobe mba hanitsy làlana hahazoam-bokatra haingana noho ny hafa.
  5. Halatra ambany latabatra : ataon’olon-droa an-tsokosoko mba samy hahazoan-tombotsoa manokana eo amin’ny famitana ny asa iandraiketana,kanefa fomba iray misakana ny fidiram-bolan’ny orinasa na ny Fanjakana tsy hiditra ao anaty kitapom-bola.
3 EME GROUPE :
  1. Tsolotra : misy fara-fahakeliny misy mpandray anjara anankiroa ka ny iray manome ary ny faharoa kosa mandray zavatra na tombontsoa tsy ara-drariny atolotra antsokosoko, ohatra : eo amin’ny sahatry ny asa, ny fahafahana amin’ny fanadinana fifindrana kilasy na fahazoana mari-pahaizana, ny fandresena eo anivon’ny fitsarana ka ireo rehetra ireo sy ny hafa toy izany koa dia tiana ho azo tsy ara-drariny na tsy ara-dalàna amin’ny alàlan’ny ny tsolotra.
  2. Vandy na Lainga : izay miteraka mamonoana ny feon’ny fieritreretana eo amin’ny mahaolona, famonoana ny fihariam-piainan’ny olona sy ny firenena amin’ny fanaovana « vandy sy hosoka » isan-karazany, ohatra amin’izany ny famadihana ny rariny sy ny marina ka isolokiana izay tokony ho anjaran’ny hafa ka manolo izany ho an’izay tiana sy namana ihany.
4 EME GROUPE :
  1. Maniraka olona hanatanteraka asa ratsy hahazoany vola sy tombontsoa : ao anatin’izany ny fangalarana ny fanan’ny vondrona na orinasa amin’ny alàlan’ny fanambazana vola ny tompon’andraikitra mba hahazoana manodinkodina ny fananan’ilay orinasa.
  2. Zavatra atao tsy ara-drariny ka misy fiantraikany ratsy amin’ny hafa : azo atao ohatra amin’izany ny fanaovana hosoka ny naotin’ny mpianatra any amin’ny fanadinana fifaninanana ka ny tsy mahay ho afa-panadinana fa tafahitsoka any amin’ny tsy afaka ireo izay tokony ho afaka noho ny toerana voafetra eo amin’ny fifaninanana.
  3. Fitsinjarana mitanila eo amin’ny maro izay tokony handray anjara mitovy : izay tiana vintana sy iandrandrana valim-pitia ihany no omena bebe kokoa fa ireo izay tsy tiana bika sy halan-tarehy kosa tsy mba raharahaina Akory.
  4. Tsy fanatanterahana ny andraikitra fanaony raha tsy misy takalony ankoatry ny karamany : izay manolotra zavatra na vola an-koatry ny haba na fadin-tseranana na hetra faloa amin’izany asa atao izany no « karakaraina tsara sy haingana » ny asa ampanaoviny fa izay tsy manao izany dia ahitsoka eny amin’ny antotan-taratasy miandry ela. Ohatra amin’ny ny manjo ireo olona avy any ambanivohitra izay ampitahorina fa tsy ho vita vetivety ny zavatra ilainy raha tsy manome vola an-koatra izy ireo any amin’ny toerana misy ny fitsarana, ny fandraisana mpianatra ambaratonga ambonimbony, any amin’ny fanoratana fananan-tany…
  5. Tsy fanaovana ara-dalàna na fanaovana an-tsirambina ny fiambenana ny fananam-pirenena sy ireo zavatra voararan’ny lalàna tsy azo amidy na aondrana raha tsy mandoa fadintseranana : toy ny biby arovana, ny hazo sarobidy toy ny « bois de rose ».
5 EME GROUPE :       
  1. Fanaovana « afera » tsy ara-dalàna amin’ny olona iray na maromaro mba ho entina hanangonan-karena : ao anatin’izany ny fanodikondinana ny fananana na zavatra ilain’ny vahoaka eo an-toerana ka omena na amidy any amin’ny toeran-kafa izay tsy tandrifin’ny nokendrena hahazo izany, ohatra azo omena amin’izany ny famonjena avy amin’ny malala-tànana ho an’ny vahoaka tra-boina amin’ny toerana voafaritra iray kanefa dia iarahan’ilay tompon’andraikitry ny fizarana na famarotana amin’ilay vidiny mora nifanarahana ka any an-toeran-kafa no niafaran’ireo tombontsoa ireo. Raha ny amin’ny « afera » atao amin’ny olona maro indray dia ohatra mazava iray ny momba ny fanondranana an-tsokosoko ny « Bois de rose » izay tsy maintsy mandalo fisavana sehatra maro vao tafavoaka, manomboka tany amin’ny fokontany mahalala ny fanapahan-kazo, ny tompon’andraikitry ny ala, ny mpamily ny fiara sy ny sambo mpanondrana, ny polisy sy zandary mpisava làlana sy fiara-kodia, ny tompon’andraikitry seranan-tsambo sy ny manam-pahefana rehetra voakasik’izany ka hatrany amin’ny mpanao fanadihadihana ara-panjakana sy ny fitsarana mandinika ny porofo azo tsapain-tànana koa, raha toa ka afa-maina daholo ihany ireo mpiray tsikombakomba tamin’ilay afera, indrindra fa ny loha nikotrika izany faharatsiana rehetra izany.
  2. Famadihana ny marina tompon’ny soa homena ny tsy marina tsy mendrika ilay soa : izay olona mendriky ny soa ho azo voailika na dia nahavita ny hetsika sy asa rehetra hahazoany an’izany aza izy fa ny tsy nahavita asa na hetsika mendrik’ilay zavatra homena no nahazo izany satria havana, tapaka sy namana. Ohatra amin’izany ny fahazoan’ireo « mahitahita » eo amin’ilay sehatra ifaninanana ny tombontsoa niaraha-nifaninana tamin’izay hahazoana azy : toy ny asa, diplaoma, laharam-pahamendrehana… sns…
DEUXIEME TRAVAIL DE GROUPE : (Comment les jeunes YMCA comprennent les effets néfastes de la « CORRUPTION » dans diverses situations)

IREO VOKA-DRATSY NY KOLIKOLY EO AMIN’NY SEHATRA SAMY HAFA

1ER GROUPE :
Eo amin’ny sehatry ny fianarana :
Mazàna dia tsy izay tsy ampy fahaizana ihany no manao kolikoly mba hahazoana ny fari-pahaizana ilainy : manambara izany fa tsy azo antenaina hahavita zavatra tsara izay rehetra manao kolikoly mba hahazoana asa ao amin’ny orin’asa iray.
Eo amin’ny sehatry ny fiaraha-monina :
Manakorontana ny fandaminana efa vita sy miteraka adim-piaraha-monina : Hita izany amin’ireny filaharam-bahoaka mba samy hahazo zavatra amin’ny toerana iray ka misy ny manao hitsin-dàlana amin’ny fanaovana kolikoly mba hahazo alohan’ny hafa izay efa reraky ny filaharana.
Eo amin’ny sehatry ny Firenena :
Mihamanana hatrany ny mpanana vitsy an’isa ary mihamahantra hatrany ny mahantra maro an’isa : Mivavangongo hatrany any amin’ny mpanan-karena izay mpanambaka vahoaka rahateo ny harena eto amin’ny firenena ka tsy afaka miodina hifanasoavan’ny mpiray tanindrazana amin’ny takalo sy varotra madio, hany ka izay nisasaran’ny mpamokatra nadritry ny taona dia tsy avy any amin’ny fivelomany akory fa mitontona hatrany any amin’ireo mpanao kolikoly izay sady manimba ny fiaraha-monina no manapotika ny haren’ny firenena ary mamadika ny fahamarinana eo amin’ny fitondram-panjakana.

2 EME GROUPE :
Eo amin’ny sehatry ny fianarana :
  1. Mihen-danja ny fari-pahalalan’ny mpianatra ary mihabado mihitsy aza : manantena ny hahazo vokatr’isa amin’ny fanadinana noho ny fisian’ny kolikoly ny mpianatra ka tsy mahefa mianatra lesona tsara intsony.
  2. Mihasimba ny toe-tsain’ny mpianatra zatra kolikoly : ka arak’izany dia manomboka teraka ao amin’ny ny fireharehana sy ny fanaovana ditra isan-karazany izy ireny.
  3. Mihasimba ny toe-tsain’ny mpianatra nahay ka aorian’ireo mpanao kolikoly : Ireo izay mba nisasatra mafy sy fantatra fa mahay nefa tsy afa-panadinana indray dia simbain’ny fahatsapana fa izay manao kolikoly ihany no tafita ary tsy mety ho rendrika akory na voasazy.
  4. Miteraka korontana eo amin’ny fampandraharana eo anivon’ny sekoly : tafintohina ny mpampianatra iray mahita ireo tsy nahay na tsy nahatratra ny naoty mampifindra kilasy kanefa dia afindran’ilay talen-tsekoly izay nandray kolikoly avy amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra nandritry ny fialan-tsasatra lehibe.
  5. Voavidim-bola ny fanaovana ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana eo amin’ny fanadinana : Hita matetika izany amin’ny fifanakalozana ny naoty azon’ny mpiadina mahay ho lasan’ny mpiadina tsy mahay nanao tsolotra ny mpikarakara fanadinana any amin’ny distrika ambanivohitra any.
Eo amin’ny sehatry ny fiaraha-monina :
  1. Miteraka tsy fifanarahana sy tsy fifampatokisana : Miharava ny fifamatoram-pihavanana eo amin’ny mpiara-belona ary tsy matoky ny mpitondra intsony ny vahoaka entina manoloana ny fividianana ny rariny any amin’ny fitsarana na eo an’ivon’ny fokontany izany na eo an’ivon’ny fitsaran’ny tribonaly, mandalo ireo ambaratongam-panjakana amin’ny fanaovana fanadihadiana isan-karazany.
  2. Lasa miraviravy tànana ny tompon’andraikitra maro : izay efa zatra kolikoly tsy hanao ny asany marina raha tsy tambazana vola ary vonona ny hamadika ny rariny raha vao ny mpanao ratsy no manome vola azy ireo. Ny efa mpanao ny marina hatrany indray dia kivy manoloana ny faharavan’ny ezaka izay ataony mba handalàna ny fanaovana ny marina hatrany nefa tsy afa-manoatra noho ny tahotra lehibe mpifehy.
Eo amin’ny sehatry ny Firenena :
Vokatr’ireo olana hita tao amin’ny sehatry fiaraha-monina ireo dia mihamahantra hatrany ny firenena ary miteraka faka mangidy eo amin’ny fanahin’ny vahoaka madinika ireny fanaovana kolikoly ireny sy mahatonga azy hiraviravy tànana eo amin’ny seha-pamokarana rehetra noho ny tsy fandriam-pahalemana, ny fanodinana ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamarinana, ny figiazana ny tombontsoa tokony ho azy ary ny fanararaotam-pahefana ataon’ny mpitondra maro hisoloky ny fananany sy tanindrazany.
 
3 EME GROUPE :
Eo amin’ny sehatry ny fianarana :
Maro diplaoma saingy tsy mahay raha : noho ny kolikoly no nananan’ny mpianatra iray ny diplaomany rehetra saingy rehefa tonga eo amin’ny sehatry ny asa dia miharihary, na eo amin’ny toe-tsainy ara-panabeazana na eo amin’ny vokatry ny asa izay ataony na eo amin’ny fifaneraserany amin’ny olom-pirenen-kafa, ny tsy fahaizany, ho hita fa ambany lenta lavitra noho ny diplaoma izay asehony fa ananany. Dia miteraka ny fahambanian’ny lanjan’ny fahaizan’ny zanaky ny firenena izany toe-javatra mampalahelo izany.
Eo amin’ny sehatry ny fiaraha-monina :
Midangana ny elanelan’ny tsy fitovizan-zo sy tsy fitovizan-tsaranga ka mampikorontana ny fiaraha-monina : eo amin’ny ady tany sy fitsarana ny mpamono olona tratra ambody omby nefa afaka « madiodio » noho ny kolikoly, dia miteraka fifampihantsiana ady vaovao vokatry ny tsy fahamarinana teo amin’ny fitsarana, ka ny mifampikendry tohina hanao valifaty na ny andaniny nitory tsy nahavoa na ny ankilany notorina ka nafahana noho ny kolikoly satria mihevi-tena ho tsy maty manota ka « maneno manan-tambavy ».
Mitombo arak’izany ny valifaty samirery ka mihasimba hatrany ny fihavanana malagasy : manjaka koa amin’izany ny tsy fahandriam-pahalemana noho ny fanaovana kolikoly efa voalaza esty ambony.
 
Eo amin’ny sehatry ny Firenena :
  1. Mitombo isa ny tsy an’asa
  2. Mitotongana ny toe-karena malagasy
  3. Mihalany tamingana ny harem-pirenena (harena an-kibon’ny tany sy harena voajanahary)
  4. Lany amin’ny tsy fahandriam-pahalemana sy ny ady atao amin’ny kolikoly ny fotoana, ny hery, ny volam-panjakana izay tokony hanarenana ny toe-karena faobe eto amin’ny firenena
 
4 EME GROUPE :
Eo amin’ny sehatry ny fianarana sy ny fiaraha-monina :
  1. Miteraka tsy fifampatokisana eo amin’ny samy mpiara-belona : izany dia vokatry ny hita sy tsapan’ny fianakaviana eo amin’ny kolikoly manjaka any amin’ny sehatra maro samihafa toy ny fitsarana sy ny sampan-draharaha momba ny fananan-tany, ka mampiraviravy tànana izay tsy manam-bola manoloana ny hetraketraky ny mpanana izay manao kolikoly amin’ireo tompon’andraikim-panjakana.
  2. Mitaiza toe-tsain-dratsy sy fahazaran-dratsy amin’ny fanaovana kolikoly : Tsy hisy zavatra ho vanona amin’ny atao rehetra eo amin’ny fiaraha-monina noho ny fahazarana manao kolikoly amin’izay rehetra hatao. Hany ka mamokatra tsy fahaizan-zavatra sy faharatsian’ny vokatr’asa rehetra ataon’ny tompon’andraikitra ny fahazarana manao kolikoly eo amin’ny fiainany an-davan’andro.
Eo amin’ny sehatry ny Firenena :
  1. Mifototra avy amin’ny kolikoly ny fahantran’ny firenena iray : noho tsy fanajana ny marina dia mihasimba avokoa izay fahatsarana rehetra teo amin’ny toe-tsaina ka mamokatra fahantrana hatrany eo amin’ny mpiara-belona izany.
  2. Mitarika ho any amin’ny fahambanian’ny toe-tsaina ny kolikoly : mifandainga, mifamitapitaka, mifangalatra ny olona rehetra ka tsy hajaina intsony ny lalàna ary ny fanaovana ny marina, hany ka tsy mandeha araka ny rariny intsony ny fiainam-pirenena manontolo.
 
5 EME GROUPE :      
Eo amin’ny sehatry ny fianarana :
  1. Tsy ampy fahalalana : ireo mpiasa tafiditra noho ny kolikoly dia mazàna tsy ampy fahaizana hanao ilay andraikitra omena azy
  2. Mamitaka ny vatany : rehefa tonga eo amin’ny asa ampanaovina azy ilay olona dia tsy mahavoafehy akory ny andraikitra omena azy izy ka sahirana lalan-dava eo am-panaovana ny asany ny olona mandrora miantsilany ihany.
  Eo amin’ny sehatry ny fiaraha-monina :
  1. Disadisa : mihasimba ny rohim-pihavanana sy ny fifampitokisana noho ny fahavoazana mihatra amin’ny maro vokatry ny kolikoly natao ka fantatry ny fiaraha-monina ireo mpanao ratsy.
  2. Fahaverezan’ny hasin’ny andraikitra sy ny asa : tsy matoky intsony ilay tompon’andraikitra mpanao kolikoly ny fiaraha-monina.
  3. Fahafaham-baraka : mampiteny ny moana ny ratsy vokatry ny kolikoly ka ataon’olona tondro molotra ilay mpanao kolikoly, dia ilay mpandray sy ny mpanome koa.
  4. Fahaverezan-tsaina : na ny mpanao kolikoly tratra ka niharan’ny famaizana an-tranomaizina sy lamandy volabe, na ireo izay niezaka teo amin’ny fiainany kanefa dia nampahantrain’ny kolikoly fanaon’ny hafa dia samy very saina avokoa manoloana ny fahavoazan’ny ankohonany sy ny fiainany manokana.
  5. Fahasahiranana ho an’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina : mbola voka-dratsy avy amin’ilay efa nohazavaina etsy ambony ihany.
Eo amin’ny sehatry ny Firenena :
  1. Tsy mampandroso fa vao maika mihemotra sy mikorosifahana ny toe-karena : tsy miditra ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana ny hetra tokony haloa mba hanasoavana ny fiainam-bahoaka fa lasan’ny mpanao kolikoly izay vitsy an’isa raha oharina amin’ny vahoaka tsy mandady harona.
  2. Manimba ny hoavin’ny faramandimby : tsy misy vita ireo fotodrafitrasa izay miantoka ny hoavin’ny faramandimby noho ny tsy fidiran’ny volam-panjakana ahodinkodin’ny fanaovana kolikoly.
  3. Miteraka ady an-trano : mety hiafara amin’izay nanjo an’i Zimbabwe ny firenena raha mbola mitombo hatrany izao fanaovana kolikoly eto amin’ny firenena izao.
 
TULEAR, LE 21 JUILLET 2011



FILAZANA:


MANOMBOKA NY ASABOTSY 2 SY ALAHADY 3 MARSA 2012 DIA HISY NY FIFAMPIOFANANA MOMBA NY ADY AMIN'NY FANITSAKITSAHANA NY ZON'OLOMBELONA SY NY KOLIKOLY IZAY HIFARIMBONAN'NY YMCA SY NY BIANCO ETO TOLIARA KA HANDRASAN'NY TANORA REHETRA AO AMIN'NY FIKAMBANANA FIBETAFOTO SY IREO HAZOMANGA OLOBE ETO AN-TANANA ARY NY TANORA AO AMIN'NY YMCA.

ANTSOY NY 032 44 688 16 na ny 034 46 195 54 raha mahaliana anao ny hahalala bebe kokoa sy handray anjara amin'io FORMATION CONTINUE DE FORMATEURS IO.
Afficher la suite de cette page



Créer un site
Créer un site